<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>595</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Raiko ô ! mba raiso ny
 tanako
 Tantano mba handroso ny
 diako
 Hazòny tsy hania ny zanakao,
 Ry Raiko ô ! avia, tarihonao.

[V2]
 Ny foko ta-hanoa ny didinao,
 Kanefa mora voan'ny ratsy
 izao
 Ka dia mba fenoy ny herinao,
 Ry Raiko ô ! henoy ny
 zanakao.

[V3]
 Rehefa tsy mahita ny lalana
 Ka toa tsy ho tafita ny lalina,
 Fa ketraka ny aiko, dia
 raisonao
 Trotroy aho, Raiko,
 an-tratranao.</lyrics>
<title>Ry Raiko o ! Mba raiso ny tanako FFPM595</title>
<author>F. Silcher</author>
</song>